jeudi 22 mars 2018

TSIHY BE LAMBANANA NY AMBANILANITRA


Fifidianana Filohampirenena Malagasy.
Ankatoka sampanàn-dàlana isika.
Ndeha hahay hifantina OLONA.

Filoha sady maranitra no madio fo.
Filoha mahavàtra mankatoa ny feon’ny fieritreretany.
Filoha mahiratra masom-panahin’Andriamanitra antampon’ny loha.

Ary eo amin’ny lafiny géopolitique,
Filoha mahatrika ny an’ny Sinoa sy ny Rosiana vao voafidy teo.






ROHONTANY & TETIANDRO
Ankapobeny bontolo, spatio-temporel isika olombelona. Mitanjozotra anivon’ny Espace sy ny Temps.
Antony ilàna ifehezana ny rohontany izany : régie de l’espace.
Antony ilàna andinihana ny tetiandro izany : gestion du temps et de la durée.
Ireo no grille de lecture et canevas d’application ho an’ny management sy ny marketing.
Base orthonormée foncièrement malagasy !
Ndeha ho pragmatique, tompoko ! Fitaovana sarobidy fampiterahana fanambinana ireo. Ara-pahasalamana. Ara-pihariana. Sns. Afahana mikolokolo “ njilaka”, araka ilay fiteny an-dàlambe.
Mahavàtra mamolaka ireo fitaovana ireo ny mpanapakevitra ara-panjakana malagasy ?
Afaka mifaninana na amin’iza, na iza, miseho matanjaka eto ambonin’ny tany.
Mivoatra ny Firenena Malagasy.
Arahaba soa, arahaba tsara !
Fahaizana fampiasa andavanandro no azo rantovina hatrao amin’ny rohontany sy ny tetiandro. Fahalalàna goavana, fanalahidy fampivoarana ny mahaolona eo amin’ny lafiny manontolo..
Anjaran’izay te-handalina no mamahavaha araka izay tiany. Soritra ankapobeny no hany atsidika etoana.


Alakaosy Besakana Rohotanim-bazimba géolocalisé

Mampalahelo fatratra ra-Malagasy ankehitrio, rey havako !
Kinga dia kinga amin’ny table de multiplication isika mianakavy kanefa midanàka fotsiny manoloana rohontany sy tetiandro.
Antony mampikàtso ny firenena izany !
Fahazanahan-tsaina hatrany amparahatoka izany !!
Takaitran’ny fanjanahan-tany tandrefana izany !!!
Diniho tsara moa ê.
Matoa ny Sinoa sy ny Tatsinanana miha-matanjaka eran-tany toa io, tsotra ny “ fika ”- fanoitra ho an-dry zareo. Mampihàtra ny rohontany sy ny tetiandro ifandovàna isan-taranaka ry zareo.
Ataovy, tompoko, ny fanadihadiana. Amarino izao voalaza izao.


Analamanga Rohotanim-bazimba géolocalisé

Azafady indrindra, tompokolahy sy tompokovavy !
Aza mitsiriritra ny tanjakin’ny firenena sinoa raha mbola mihanona amin’izay fahaizam-boloky  table de multiplication. Toe-tsaina tandrify commis izany. Sahaza boto irakiraka ! Tsy ho patrôn’ny fiharian-kareny manokana mandrakizay.
Tsy hikitika akory izay resaka degrés de conscience sy multi-dimensions astrales isika anio. Hionona amin’ny fanairana ireo mpisonenika fotsiny amin’ny table de multiplication. Ireo mpanao valalan’amboa ny rohontany sy ny tetiandro nohon’ny antony “idéo-logiques” isan-karazany.
E ‘ty isika mianakavy, rey havako. Rebikondry mpitomany valala isaky ny fetsifetsen’ny mpivarotra saka be loha. Dia ny tany no omen-tsiny ary ny lanitra no omem-pondro. Vao mainka mitera-doza aman’antambo sesehena, marina mafy.
Andraikitra iombonana izao fitotonganàm-pirenena izao. 
MIFOHAZA ê !
Mianàra Rohontany !!
Fehezo ny Tetiandro !!!

Madagasikara Rohontanim-bazimba géolocalisé
Ireo averina etoana ireo ny Rohontanim-bazimba, vokatra fikarohana amam-polontaona. 

Misy ihany koa ny rohontany soritana amin’ny Fanorona

Mendrika alalinina avokoa ireo. Miampy izay hafa fanao ihany koa. 

Maro lafy ny marina, tompoko. Izay no nandrafetan’ny Ray Mpaàry azy.
Vao nankalazaina ny 18 marsa teo ny Taombaovao Malagasy. Manana ny tetiandro imasoany ry zareo. Arahaba soa, arahaba tsara !
Nanangasanga dieny ny 21 marsa ny famaritana ara-masoandro ny Alahamady. Hifanandrify amin’ny ara-bolana izany amin'ny 16 aprily ho avy izao. Arahaba soa, arahaba tsara !
Ny Isalava mifantoka ara-bolana mamaritra ny Alahamady amin’ny 14 jona. Arahaba soa, arahaba tsara !
Ny Vakiantety fianteheran’ny taranà-bazimba zanadrano mpitàha an’i Tritriva mampifantoka ny Alahamady amin’ny 13 jona. Arahaba soa, arahaba tsara !
Santionany ihany ireo. Maro lafy ny marina, tompoko. Izay no nandrafetan’ny Ray Mpaàry azy.
Fanamarihana:
Misy ny mpitety andro mampiasa ilay base orthonormée voalaza etsy ambony. Misy ny tsy mampiasa azy. Safidy io, arak'izay manavànana ny tsirairay.
Ao ihany koa ireo manatsatoka isa hatreo amin’ny tataovovonana. Ao ireo miandàny amin'ny sasakalina. Safidy io, arak'izay maharesy lahatra sy katsahan'ny tsirairay.
Torohevitra:
Ireo te-handàla amin’ny fomba siantifika izao resaka izao, miseraseràha mivantana amin’ingahy Eris Rabedaoro. Hatrao amin’ny facebook no tsotra indrindra.



Aleo ho maro sady samihafa ny Tàha. 
Amin’izay, mampisondrotra hasina antsika mianakavy avokoa ny mpahalàla isan-tsokajiny sy isan-tokony araka izay nahim-pony.
Tombony avokoa izany. Tsy hàla velively. Aleo hikatroka am-pilaminana avokoa ny mpahay ràha.
Tanjona iombonana ? 
Malagasy miaina finaritra eto Madagasikara.



Aucun commentaire: