dimanche 25 mars 2018

Ô ry zaza navelan’i LEMURIA !


Mialoha izao zara-jery izao, efa natsidika ny maha-goavana ny fifehezana
Rohontany sy Tetiandro.
Savihana amin’ny saina ireo. Ahitsy amin’ny fo. Amarinina amin’ny fanahy. 
Ary ny vatana no fantsona mampiray ny saina-fo-fanahy raha mbola velona aina ihany.
Fanampin-torohay mikasika an’izany no ampahany voalohany etoana.

Fiatrehana ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara no ampahany faharoa.




NY VATANA NO FANTSONA

Miriaria manerana ny vatana ny aina mamelona. Herijika izy io. KI hoy ny japoney : 

Ny vatana no relais ifamezivezen’io KI manenika ny tany aman-danitra io. Mandray-manodina-manome. Takalo lalandava. Miisa zato mahery ny capteur-émetteur de KI amin’ny vatana. Antsoina amin’ny sanskrit hoe  Châkra.

Fito amin’izireo no mora indrindra ifantohana. Efa nazavaina tetoana io resaka io:


Lafiny roa no hany soritana hazava.

Voalohany

Rehefa mikoriana tsara ny KI koa mipàka hatrany antampon-doha itoeran’ny châkra violet dia miha-matanjaka ny chakra indigo eo amin’ny handrina.

Izay no tian-ko ambara amin’ilay hoe:

“ Maha-hiratra masompanahin’Andriamanitra antampon’ny loha ?
Maha-sikidy an-kandrina.”

Dikany: mahatsinjo zava-takona ho an’ny besinimaro. Noho izany, manan-tombo lalandava amin’izay varimbariana miaina tsy ankisahirana.

Faharoa
Fampahatsiahivana manokana ho an’ny mpikatroka haiady tatsinanana.
KI  no ifotorana. Ampikoriana ny KI, arindra ny châkra miisa 7. 
Zarina mirindra ny châkra 7 mandritra ny Zazen
Zarina mirindra ny châkra 7 rehefa mijoro manao Position de l'arbre
Zarina mirindra ny châkra 7 isaky ny manao Kata
Zen en mouvement, tompoko, ny Kata !
Ny fahavàrana ireo fanao ireo no mampivoatra ny kuro-obi, ceinture noire.
Fepetra fototra:
- Gadraina manelanelana ny anus sy ny testicules Ao ny châkra rouge. Raha tsy izay, mipotsaka fahatany ny KI.
- Afantsika amin'ny lanilany ny loha-lela. Amin'izay, mihanika hatrany amin’ny châkra violet ny fikorian'ny KI.


Tandremo ! Tandremo ny fampiasàna sy fampiharana ny KI !! 

Tsarovy ny Giri  義理

Code moral izy io ho an’ny mpikatroka haiady. Philosophie mihitsy ho an’ny mpianady. Alalino ! Alalino fatratra !! Ankamantatra !!! Eo ampandrasàna ihany no ahitàna ny atiny.
Vakiana bantsilana izao tsy fambara maro izao satria mby ny fotoana.
Mby ny fotoana ho an’ny Malagasy eto Madagasikara.
Mby ny fotoana ho an’ny Malagasy zaza navelan’i LEMURIA.
Mitaky fahavononana mpianady sady matanjaka no matsilo izany, tompoko.
Koa aza mibitaka hoe “ kôpy “ fotsiny, azafady.
Tsy lany laniana izao harem-pahalalàna izao.
Milofosà amin’ny fanazaràn-tena sesilany.
Tsy maintsy vonona lalandava.


BANJA MALALAKA
Mahatsikaritra ve isika hoe :
1. Ny votoatin’ny maha-filohampirenena vonon-kiatrika globalisation numérique mifanindràn-dàlana amin’ny fiovàna goavana ara-géopolitique no iniana atao ankilabao ankehitriny eto an-tanàna ?
Araho moa ny dépolarisation économico-financière internationale dia hazava tanteraka ny tian-ko ambara. Tokony vato fehizoron’ny reconstruction politique io, tompoko.
2. Ny souverainisme malagasy mahasehaka io zotram-panorona iraisam-pirenena io no iniana sarontsaronana ankehitriny eto an-tanàna ?
Fanabeazana
Hatramizao, ampifilafilaina sady ampitambàzan’ny fanjakana frantsay isika rehefa mitalaho fanampiana any mikasika ny fampianarana ny zaza malagasy.
Miha-lany daty ara-ekonomika sy ara-teknolojika anie io fiteny frantsay io ê. Francophile aho sahy manambara an’izany.
Fitenimpirenena anglisy sy sinoa no mahatelina ny toetrandro ankehitriny sy ho avy.
Koa maninona no ekena sy terena ho ny fiteny frantsay foana no atao langue d’apprentissage et d'éducation, azafady ?!
Ny fiteny malagasy no poretina sainina toa frantsay ?
F'angàha isika mbola colonie française ê ?!
Sa créolisation bâtarde no tanjona eto ?!?
Goragora, potika, montsana ny processus cognitif !
Lohalik’alika ny fahaizana amam-pahalalàn’ny tanora malagasy ankehitriny. Manomboka any amin’ny garabola, hatrany amin’ny anjerimanontolo. Mpampianatra ampolontaona aho mitsikera an’izany. Nampianatra 6ème-5ème-4ème-3ème-Terminales. Nitohy hatrany amin’ny master 2 sy doctorant. Tsy atoro voanjo hadiana, tompoko, raha katro-doha fampianarana an-tsekoly.
Ariary
Ankilan'izay, misaotra an’Andriamanitra aloha rehefa mba tsy Franc CFA intsony no ampiasaintsika fa ny Ariary.
Tokony masahana manokana io politique monétaire io. Lavaka mandifotra olona, tena mahafaty ao ! Rangory fototry ny afo. Ao no mampirefarefa amim-bovoka sy mampihosom-potaka ny fiharian-karentsika ankapobeny. Vao miharina kely dia midaboka. Satria mora adaboka ! 
Mila mitroatra, mamaha fatorana isika amin'io lafiny io. Anarany fotsiny ny hoe Ariary fa mbola voageja toa ny Franc CFA ihany ! Ieràna amin'ny fanjakana frantsay anie ny fitantànantsika ny Ariary ê. Hany ka faran'izay tena fatim-bola baoritra 'ty izy !
Mahay mamàha io olana io ny manampahaizana malagasy. Tsy ilàna expertise vazaha izany. Aok’etsia, tompoko.
Hatreo ihany aloha ny kihana aroso anio. Mbola be ny sisa.
Koa mahatsikaritra ve isika hoe :
Rebirebena amin’ity loi électorale ity ?
Vraiment-vraiment-vraiment-vraiment-vraiment… Vraiment !
Rebirebena amin’ny resaka Helika ?
Hélicoptère ?!
Sns !?!


Mitsangàna, tompoko, izay 
OLONA TENA OLONA. 
Na LAHY. Na VAVY.

Mijoroa ho fidiana Filohampirenena.

Tsy azo avela hitarazoka intsony izao fanadontoana lavareny izao.
Anivom-piarahamonimpirenena ianao, ataovy izay tandrify anao.
Anaty antoko pôlitika ianao, ataovy izay tandrify anao.
Mpikatroka haiady ianao, ataovy izay tandrify anao.
Mpiserasera ianao, ataovy izay tandrify anao.
Mpandinika ianao, ataovy izay tandrify anao.

Ho krizy goavana mila ivononana ity miala any ity !

Raha toa krizy hamadi-bainga, aleo ho avy !!
Marina mafy !!!
Ô ry zaza navelan’i LEMURIA,
Makà bahana am’izay !

Aucun commentaire: