vendredi 10 février 2012

11 febroary 2012 – 11 febroary 1975 = Baraingo 37


Ny FOKONOLONA no fototra iorenan’ny FITONDRANA.
« Ny fiaraha-monina vaovao ». Kabary tao Manakara.


Aim-Pirenena ny FOKONOLONA.  Ny FOKONOLONA dia andry iankinan’ny Fanjakàna. Ny fampandrosoana ny Toekarena miaraka amin’ny FOKONOLONA no antoky ny fampandrosoana.
« Ny tanora sy ny toe-karena ». Kabary tao Ankaramena.


Ny FOKONOLONA no tompon’ny harena an-kibon’ny tany ao aminy.
« Ny fiaraha-monina vaovao ». Kabary tao Bealanana.


Hery tsy hay tohaina ny VAHOAKA miray.
« Ny tanora sy ny toe-karena ». Kabary tao Alakamisy-Ambohimaha.


Tandremo ny safidinareo tsy hamidy. Aza amidy ny fahafahana fa mampiditra amin’ny fanandevozana.
« Ilaina ny fiovan-drafitra ». Kabary tao Vangaindrano.


Mety misy amin’ireo Komitim-Pokotany ireo olona misoratra amin’ny ANTOKO Politika. Tsy misy hanomezan-tsiny anareo izany. (…)

Fa ny nifidiananareo azy teo, tsy nanao hoe : fidio aho noho izaho ANTOKO izao na ANTOKO izao, fa amin’ny fahalalànareo azy eo anivon’ny fiaraha-monina. Ka raha te hahabe voninahitra ny antoko misy azy any izy, dia tsy maintsy manaja ny zonareo aminn’ny asa ataony. (…)

Fa eo amin’ny Fokonolona Isika, dia ao ny fatoram-pihavanana isan-karazany : ao no mifanambady ny Atsimo sy Avaratra, ao ny fifandraisana isan-karazany mety hitranga. Ireny rehetra ireny, dia tsy ho azontsika ravàna amin’ny hoe fidirana amin’antoko izao na izao; Izay te hiditra antoko dia mahazo miditra. Fa eo amin’ny fiainantsika andavanandro, dia misy ny fifandraisantsika. Tsy maintsy hifanampy Isika na an-kasaovana na an-karatsiana amin’ny asa atao.
Koa noho izany, ao anatin’ny FOKONOLONA dia tsy tokony hidiran’ny ANTOKO POLITIKA mihitsy.
« Ny tanora sy ny toe-karena ». Kabary tao Ankadinondry.

Sompitra iombonana: Ny FOKONOLONA araka ireo kabary nataon’ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran’ny Nosy 1973-1975.



Tompokolahy sy tompokovavy,

Atsipy ny tady an-tandrokin’ny omby. Atsipy ny teny am-pon’ny mahalala. Koa aleo ny mpanakanto no hiangaly azy, hahamora harena antsika mianakavy. Injany any ho any ry Rakoto Frah:

“Mifohaza, ry be torimaso fa maraina izany andro
Efa miposaka re ny masoandro avy ao atsinanana â…”


Aucun commentaire: