lundi 29 décembre 2014

Hoy Ikaky Ravaho:

" Miarahaba, tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.

Hiloa-bava anoloan’ny ambanilanitra koa manao ombay làlana, re tompoko ô. Mipi-bolo no sola saingy faralahin’olona koa manao azafady.

Nampitsakoahana an-dRaMalagasy ny taona 2014. Navariny any avokoa ny disadisa aman-tsiasia. 

2015

Ny olo-marina mpandadilady rariny hiavosa isa, hiha-velon-driaria.

Alavirim-parofy isika mianakavy. Fo feno fitiavana no mitrotro ny ho avy. 

Tondra-dronono ny isan-dovia, iririavan-tantely ny isan-tokonana.

Soàva tsarà fihavanana amin’ny anjely ê. Na mamatonalina na tataovovonana.

Matezà rohitina ny aina ifanambinana hamamiana amin’ny olon-tiana.

Koa ny fafy rano ho an’ny Firenena, tso-drano haharanitra ny ambanilanitra.

Mankasitraka, tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy.

Tahian’Andriamanitra isika mianakavy."


Ikaky Ravaho.


Aucun commentaire: