mardi 17 mai 2011

FAnambinana antsika jiaby ê.


Tompokolahy sy tompokovavy,


Mikivila atsy, mikivila aroa, hatramizao ny firenentsika. Samy miziriziry amin’ny heviny ry zareo "mouvances sy plate-formes" isan’isany.

Ny harenantsika etsy, mipongatra hatrany: titane, diamant, ... Mihaohao ny rakàka isan-karazany.


Tsotra ny antsika FAMà : tony isika, miandry ny fifidianana Filohampirenena.

Zahao moa, azafady, ireo toromarika: Que faire pour être POSITIF et devenir plus fort ? Sao mahasoa, lahy.


Nirotsadrotsaka ny Volatsivaky, tso-drano avy amin'ny mpankatia ilay Vahömbey mpanakanto, ny alin’ny VENDREDI 13 MAI teo.

Omby mazava loha, tsara mandroso, tsara miverina.

Iny ho antsika no FAMAHA, vaky lain-draharàha. Velona ny tohi-vakana, …

Olo-mendrika isika FA.

Olo-mendrika mikatsaka filaminana.

Finoana. Fanantenana. Fitiavana = FAnambinana.


FAnambinana antsika jiaby ê.


Aucun commentaire: