vendredi 27 septembre 2013

Eny, ho’aho, ry Thomas kely.

Io maraina io

Nivoaka ny trano vao vaky masoandro aho io maraina io, toa ny fanaoko rehefa mila maka saina dieny maraina. Sarotsaro-torimaso aho mantsy alina. Nampita tamin’ny besinimaro ry zareo ao amin’ny Komity Manolotra an’i Vahömbey ho Filoha kmvahombey@gmail.com hoe mila tànana amin’ireo izay mazoto hanampy an-tsitrapo ho an’ny fanontàna flyer.

Niramaràma avy any ny valin-tenin’ny olona sasany. Ompa sisa tsy nataony fa raha ny esoeso sy fanambanimbaniana dia nirara-kompana. Koa mankasitraka manokana azy ireo aho amin’ny vava tsy ambina navoakany. Mahasoàva azy.


Ito no zava-dalina tsy nandalo akory ny sain’ireo olona avo vava sy mpidingin-drambo satria marivo salosana ireo. Samy mpimenomenona ny amin’ny faharavàn’ny soa toavina avokoa ireo. Saingy rehefa misy miantso vonjy aminy dia avona no setriny.

Asa ! Ry zareo tsy mandia tany na mandoloha lanitra angamba ireo koa saro-tahotra sao indray andro tratry ny aloka ? Hakanosàna lalim-pàka hatrany anaty tsinay mainty anie no fonosin’izany toetran’ny mpanitsa-dambanana izany ê.

Ohatra velona

Sarotra ho ahy izay maniry hitantana ity firenentsika ity ny hanao mody tsy ahita azy ireo. Matoa aho mirotsaka fidiana dia ho an’ny Malagasy tsivakivolo. Eny, ho an’ny mpanitsa-dambanana sy mpiavon-tsy feno ihany koa. Raha hodiako tsy hita ireo, tsy vitan’ny hanohy ho mpamosavy malemy hamorika ny ao-tranony fa manjary very hery velona ihany koa ny firenena.

Adidin’ny filohampirenena ny misarika azy ireo hiova fo, halemy fanahy, hazava saina ka ho mby olombanona, ho olompirenena vanona. Ho fanoitra goavana hisahana fanavotam-pirenena ireo koa tokony hisasarana ihany koa. Mety tsy fidiny azy ireo akory no lasa masiaka ratsy toetra toa izany. Ny toetran’ny filohampanjakana sy ny forongony nifandimby teto an-tanindrazana no lomorina toa izany koa lasa notahafin’ny fiarahamonina tsy fidiny.

Izaho no filohampirenena, tsy maintsy miezaka aho mijoro ho ohatra velona ho tahafin’ny manodidina ahy, itarafan’ny fiarahamonina : mirija vatana, mahitsy fo, madio saina, tso-panahy.

Mandraharàha pôlitika

Henjana ho ahy, tompoko, ny miharitra fakam-panahy ê. Tsy mbola anjely velively akory ny tena. Izaho ity miezaka madio tànana tsy misy azo kihanina. Ny sasany eroa gisa mpangala-ketsa avo feo eran’ny tampon-tanety. Izaho ity mitandrina fatratra, na ampiraviraviana hani-tsy fantatra ambany orona aza dia mihivingivina manidy vazana.

Ny sasany eroa faran’izay tsivalahara, kary mpijoko hatrany ampisokom-pirenena, nefa dia ny tena saka mahalala honona ihany koa no mila ho voatapa-drambo satria sahy misahana pôlitika. Ny sasany, mpanao pôliFika fibahanan-tseza fitombenana. Ny ahy, fandraharahan pôlitika fifanasoavana anivon’ny mpiara-belona.

Te-hanaitra fifanomezan-tànana sy tohivakam-balintànana aho matoa manao antso avo fifanampiana. Ny firaisankina anie no mamelona ny fihavanana ê. Ary fifampatokisana no takian’ity tany masina diavintsika ity amintsika mponina mihaminkamina eto amboniny.

Mila mifampitantana isika. Mila mifanao soa isika raha tiantsika ho levenam-bola hamelombelona antsika isan-tokantrano ny harembe tahirizin’ito Madagasikara ito hatry ny fahagola. Raha sanatria tsy izay ? Loza mitatao ary antambo mihatra no setrin’ny fitiavan-tena tafahoatra mpanilikilika mpiray vodirindrina. Koa anjarantsika no mandinika izay mahasoa mahatsara.

Zotram-piainana

Ho ahy manokana, ny làlako efa nazava tamiko hatry ny fahazaza. Folo taona aho tamin’izany. Ny reniko, mpanakanto nalaza teo amin’ny fiarahamonina, no nivarilavo nohon’ny hetraketrakin’ny fiainana. Bokan-trosa izy satria sady sara-bady no mbola notambesaran’ny fianakaviany tamin’ny naha-vavimatoa azy. Saingy rehefa resy dia nisitahan’ny havany. Telo izahay no zanany. Izaho no matoan’anaka.

Nitsoaka mpitaky trosa izahay. Tsy nanan-trano intsony. Tsy nanan-kohanina intsony. Tsy nanan-kotafiana intsony. Tsy nanan-kantenaina intsony. Tsy nanan-kavana intsony. Tsy nana-namana intsony.

Teny an-dàlambe izahay no nangataka. Teny ambody tonelina teny sady niafinkafina tanaty kirihadrihatra ihany. Aza manody izany hoe « mpangataka an-dàlambe » ! Saingy akory atao ? Nahilikin’ny fiaraha-monina ! ENY TOMPOKO, EFA MPANGATAKA AN-DALAMBE AHO FONY IZAHO FOLO TAONA.

Namono tena ny reniko sy ny zandriko no niafarany. Izaho nivoady ny hivelona mba hanasoa ny hafa. Ny valinkitsaka nokoninkononiko ho an’ny fiarahamonina nanjary niova niandàlana rehefa nampian’olona teny aho. Nampianarina aho nivavaka. Nampiana aho hatoky lalandava an’Andriamanitra. Inona no niova ? Ny foko niha-ngeza lavitra noho ny tsinaiko.

Mpatory an-tsena

Io maraina io, nivoaka ny trano vao vaky masoandro izahay mivady toa ny fanaonay rehefa mila miara-maka saina maraindraina. Tratranay mbola natory an-tsena ireo roa vavikely mpiara-mizara vomanga sy mangahazo ary tetikovy aminay mivady, eo Antsenakely eo rehefa harivariva iny. 

Mitakoko amin’ny tany ireo zaza ireo. Miforiporitra kely. Nitery kiho sady nihidy vazana aho nizaha azy ireo. Nangotsoka hatrany anaty taolako. Rehefa tsy mbola natory an-tsena toa ahy fahiny, tsy hahalala mandrakizay ny fahorian’izany hoe matory an-tsena.

Etsy ampitan’ny arabe, zazalahy maromaro efa ampolony. Samy miampatra sy mifanosontsosoka araka izay azo atao. Mirakotra gonim-bary plastika ny sasany. Ilay lahikely anankiray aza moa miankohoka matory. Tsy lamba fitafy, tsy akanjo matevina nefa ladina an-tany tsy ankanisy lafika ! 

Etsy ananona etsy, mitampify renim-pianakaviana mifonofono vorin-kitsay sy fatipatim-boridamba. Tsy maintsy niarina sahady satria handeha hitady, handeha hangataka, handeha hiandrandra famindram-po amin’izay malala-tànana.

Thomas kely

Itsy koa i Thomas fa efa taitra. Misangy amin’alika kely, hany mba namany. Vao haingana io zaza 13 taona io no nomem-bazaha kiraro tena tsara ery ! Saingy nendahin’ny namany izany nony alina. Mifanabotry masiaka ny samy mafy ady. Nitaraina tany amiko izy hoe ampianarina hiaro tena. Noraisiko nobeaziko tao amin’ny dojo-ko toa ireo zaza sahirana ampianariko maimaimpoana ao. Saingy tsy naharaka firy i Thomas.

Taty aoriana vao nolazainy tamiko hoe kepaka loatra ny kibony isaky ny tonga mba hanao karaté izy. Sady ny ora fanazarantena mifanandrify amin’ny fizaran’ny mpivarotra hani-masaka ao antsena izay ampango tsy lany. Koa tsy maintsy kaly aloha vao karaté.

Ireo andian-jaza mpirenireny eto Antsirabe dia maro no mpihantahanta amiko efa an-taonany satria hitako nitombo teny an-ankalamanjana. Rehefa sendra ahy mandalo ry zareo dia miantsoantso avy hatrany hoe : « Vahömbey ! Vahömbey !! »

Gaga ny olona sasany mahita ahy mifandray fo amin’izy ireo, tsy taitra akory antsointsoiny amin’ny anarako. Marina anie ny azy ireo ê. Mitovy amiko ireo zaza mpirenireny ireo, havany aho. Ary tsy maintsy avotako ireo raha mbola omen’Andriamanitra fofonaina ihany aho.

Mpangataka teny andàlambe aho no nisy nanampy maimaimpoana nahatonga ahy ho toa izao. Mby ny fotoana hanefako valimbabena. Izay no antony lalina anaovako filohampirenena.

Antsirabe, 27 septambra 2013

Rabearison Roland Dieu Donné Vahömbey



Aucun commentaire: