dimanche 15 septembre 2013

« IZAHO MAHASAHY, ISIKA MAHAVITA. »

Oeuvre de ISAAC AZALY
Any amin’ny Facebook  (1) isika no mandefa lahatsoratra madinidinika afahantsika mifanakalo hevitra aman’olona samihafa firehana sy fijery ary famakafakàna. Avy any no nadika ireto zaraina amintsika eto ireto.

Izaho mahasahy.


« Malaza etsy sy eroa ny famonoana izay olona sahy mijoro... Izay ataonareo, ataonareo.

F'izaho efa mijoro aho io. Na dia tànam-polo aza. Na dia felan-tànam-poana aza. Ny tanindrazako tsy avelako atao "hypothèque" mandrakizay ary izaho tsy ho voatambin'iza n'iza vola maloto !

Aleoko aho kandidà madinika boribory toa izao. Saingy olompirenena madio tànana. Olo-manan-kasina.

Koa toheriko, tompoko, ny gaboraraka. Miady ho an'ny rariny sy ny hitsiny aho. Ary voahaiko ny vavahadin'ny fahamarinana.
 
IZAHO MAHASAHY ! »

Izaho mahasahy, isika mahavita.

« Maro ianareo no nifampizara sy nanao fanamarihana ary nitsikera ny voalazako tao anatin’ ilay fanambarana hoe : IZAHO MAHASAHY. Mankasitraka indrindra, tompoko.

Nandà ny hanao sonia ilay dina tany amin’ny FFM ny tenako. Sarobidy ny soniako ho ahy ary hajaiko tanteraka rehefa ataoko. Saingy ahoana no hanekeko izao gaboraraka mialoha ny fifidianana izao ? Efa aman-taonany anie ny kandidam-panjakana, minisitra-CST-CT-sns, no manao fampielezan-kevitra ê ! Tsy misy lalàna, hono, mifehy an’izany. Ao ny manodinkodina fananam-pirenena. Tsy misy lalàna, hono, mifehy an’izany. Ao ny mikirakira vola maloto vokatry ny fanararaotam-pahefana sy tsikombakomba mamoa-fady amin’ny any ivelany. Tsy misy lalàna, hono, mifehy  an’izany.

Mirotsaka fidiana filohampirenena ny tenako. Fahefam-panjakana hampivoatra ny toe-draharaha eto amin’ny firenentsika no iriako avy aminareo. Ho ahy, raharaha fanompoana ny maha-filohampirenena. Faratampony amin’ny fanompoana. Tokony hajaina arak’izay maha-fanompoana azy izay. Koa maisatra an-bavako ny manonona hoe fidio aho. Anjaranareo olompirenena no mitsara sy mifidy araka izay nahim-ponareo.

Mahaiza misafidy aminay kandidà miisa 33 ireo. Na mandrotsaha vato fotsy raha izay koa no hevitrareo. Adidin’ny olompirenena vanona ny mifidy koa tanteraho ankitsimpo, tompokolahy sy tompokovavy. »

Nisy moa ireo mpamaky velon’ahiahy, nanakiana avy hatrany hoe resabe ny ahy fa rehefa raviraviana mena, hono, aho dia hivadi-dela. Tsotra no avaliko. Zahao aminay kandidà rehetra ireo hoe iza no sahy mampiharihary mangarahara indrindra mihoatra ahy :

Ao koa ny hoe : Inona no mba projet de société-nao ? Tsotra hatrany no valiny. Matoa aho mirotsaka fidiana dia maniry ampihatra vinam-piarahamonina izay efa an-taona maro no nanefena azy. Ito ny rohy :

Vokatr’io lahatsoratra io ambony io, tao no nanontany avy hatrany hoe : Inona no antsoiko hoe Fanompoana ?

Ny atao hoe fanompoana ho an’ny Filohampirenena.

« Ny filohampirenena dia mandeha tokana sahalain’Andriamanitra. Asandratry ny mpiarabelona aminy ho sangan’ny rafi-piarahamonina izy. Hany ka Andriamanitra avy hatrany no eo antampon-dohan’ny filohampirenena. Inona no setrin’izay ?

Ny osa sy ny madinika indrindra amin’ny mpiara-belona no tsy maintsy tsinjovina sy tsimbinin’ny filohampirenena. Ny faladiam-piarahamonina aloha no tandremany. Izay vao manaraka ny ambiny. Noho izany dia ny farahidiny aloha. Izay vao ny antonontonony. Ary farany, ny matanjaka. Rambom-pahamehana ny tenany sy ny fianakaviany.

Raharaha fanasoavana ny hafa sy adidy fikarakarana ny besinimaro no anton’ilay fanompoana. Tsy maintsy fadian’ny filohampirenena ny fitiavan-tena sy ny fiangarana ny havany raha te-ho vanona izy. Rehefa voky ny sarambabem-bahoaka, mandrezatra ny filohampirenena.

Asa fanompoana ny manao filohampirenena. Manompo fa tsy miandry tompoina. Fitiavana makadiry ny manao filohampirenena. Mitia tsy ankiandry tiavina. Fiainana Fitiavana mangodàna no atao hoe fanompoana. »

Mety hisy hanontany indray angamba hoe : Inona io fitiavana resahana eto io ? Koa aleo savain-dàlana avy hatrany.

Korintiana voalohany, 13.1-13

Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. 2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalàna rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. 3 Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro ho dorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.

4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, 6 tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, 7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. 8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay ; fa raha ny faminaniana, dia ho levona ; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra ; na ny fahalalàna dia ho foana. 9 Fa sombitsombiny ny fahalalàntsika, ary sombitsombiny ny faminaniantsika ; 10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombitsombiny intsony. 11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza ; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. 12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina ; fa rahatrizay dia mifanatrika ; ankehitriny sombitsombiny no fantatro ; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. 13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.

Finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana.

Fanambinana no ateraky ny finoana sy fanantenana ary fitiavana izay vatrantsika iainana amin’ny andavanandro.

Finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana no dikan’ny ravina tsirairay amin’ny kabotsintsina, na kodiadiamborona, efa-dravina.



Antony nisafidianantsika ny kabotsintsina efa-dravina ho fototrin’ny sary famantarana an’i FAnambinana MAdagasikara – FAMà izany.

Izaho sahy, isika mahavita. Tsotra no antony. Miorina amin’ny FITIAVANA izay rehetra sainintsika sy ambarantsika ary ataontsika.

Fiadanana, tompokolahy sy tompokovavy, ho antsika tsirairay avy.

Antsirabe, 15 septambra 2013.

Rabearison Roland Dieu Donné Vahömbey.


Aucun commentaire: