samedi 29 septembre 2012

Sahy maty, mifono lambamena !



LEO MPIFIKAFIKA PÔLIFIKA !
TOFOKA PÔLIFIKA MPANALIKA !!

Vadin-dahatsoratra navoaka tao amin'ny Facebook, VAHÖMBEY (société & culture) :


SADY MAHARARY NO MAHAMENATRA !

Gaga ny namana sasany, manontany ahy amin'ny Message Personnel ohatra, hoe toa tsy miresaka mozika firy intsony aho eto tato ho ato. Toa tsy mahateny firy mikasika kolontsaina ihany koa. Marina izany, gina aho io ! Ela ny ela, mila ho savolaina tanteraka aho amin'ny trangàm-piaraha-monina eto amintsika ankehitriny !!

Noho izaho kandidà Filohampirenena dia reko tsaika avokoa satria ampitaina amiko, na torohay kobonin'ny mpambotry Firenena, na dinika antsokosoko fanapoteham-pirenena isan-karazany. Vaovao tsy fantatrin'ny saràmbaben'olona avokoa ireo. Marary anaty mihitsy aho miteli-manta ! Mihidy vazana mamisavisa tsy ankiloa-bava !!

Itandrovako izay zoto ao anatiko ao, mifantoka mafy amin'ny fanabeazan-tena aho itaizako ny Finoako an'Andriamanitra mba ho mirana hatrany araka izay azo atao. Soa fa manana ny fitiavako karaté-do aho manampy ahy haka bahana isan'andro vaky izao mba ho velombelom-bolo n'inon'inona mihatra, hita sy re ary iafiàm-potsiny !

Koa naleoko nanokatra pejy Facebook hafa mihitsy, " BEzoro Karaté-Do ", angalàko azy milamina manokana any an-kafà satria tsy mpiondana kotrana avokoa akory ianareo mpanaraka ito pejy Vahömbey (société & culture) ito.

Tsoriko fa ozongozonin'ny eritreritro aho io ! Hatramin'ny rahoviana aho no hiharitra izao voafelaka havia sy havanana ankisesisesy efa ho efa-taona izao amin'ny angaredon'ny mpifikafika pôliFika, mpanalika !?! Na mpitondra, na mpieboebo ho mpanohitra, ... Ssshhh !!! Mpianakavy iray ihany ireo !

Na movânsa Rajoelina io, na movânsa Ravalomanana io, na movânsa saribakoly, na movânsa mpamadika palitao, na movânsa mpanenjika ombiasy, na movânsa fahavalo-dahalo-totakely,... Movânsa 'raike avao 'zareo movânsa iabe jiabijiaby !

Samy mpanararaom-paty daholo daholo ! Samy mpaniraka olom-pirenena hamono ho faty, na miaramila, na sivily. Samy mpaniraka ny mpiray tanindrazana aminy ho atao soron’ny fitiavan-tenany sy tombontsoa manokana ifandovàn'ny fianakaviany.

Isika rehetra rahateo koa moa miraviravy tànana sy mitazàm-potsiny daholo daholo !
Samy misitri-belona ambany fandriana sao mba rahampitso vao ho faty fa tsy anio !!
Samy milaza ho atody tsy sahy hiady amim-bato. Ary raha vatolampy indray, vatolampy betsimiteny koa ... Ahoana moa hoy ilay fitenenana ?

Rehefa tototra any ambany rangolahy angamba isika rehetra ireto vao hitsetsetra ?! Raha tsy hoe ny mpandevina tsy haharaka intsony ny ho alevina !! Ankoatra izay tafatsoam-ponenana any an-dafy !!!

Zahao moa ito lahatsoratrin'ny mpanao gazety iray ito ê. Tongom-bakivaky ! Sady maharary no mahamenatra !!

Hambo tsy taitra amin'io efa te-ho anjaran'ny holitra.

Koa dieny mbola tsy ringana re ! Mivonöna dieny izao izay hiara-hijoro aminay ho sahy hifono lambamena hitandrovana ny olo-marina tsy hiforitihan'ny diky !! Efa ambivitra anie ny ady saritaky ry zareo samy amboadia ê !!!

Mangery am-pamoloana ! « Newsmada
http://www.newsmada.com/mangery-am-pamol...

Azafady re olona ! Azafady ho an’izay mora tohim-pitenenana, fa tsy halohalika intsony fa efa handifotra ny loha ity ny ranombary…Tsy nandaitra ny resaka miolikolika nampalaza an-dRamalagasy, tsy nahomby ny fanentanana narahin-tambitamby ary tsy mety intsony ny ankinafinafina satria tsy raharahan’an…


Aucun commentaire: