vendredi 14 septembre 2012

SAINA FOTSY: dingana voalohany.

Katanà SAINA FOTSY


INONA NO ATAO ?

Atsangano isan-tokonana ny SAINA FOTSY.

Ampirantio eny amin’ny fiara ny SAINA FOTSY.

Manaova fehi-tsandry FOTSY, fehi-tenda FOTSY, sarin-doha FOTSY.

Paingory eny amin’ny akanjo andavanandro izay mety ho marika FOTSY.                                                                                                        
                                                                                                          

RAHOVIANA ? 

Isan’andro vaky izao.

Indrindra rehefa imasom-bahoaka.


AIZA ? 

Eny rehetra eny.


FEPETRA ?

Tsy ilaina akory ny mivorivory etsy sy eroa handrangitra ny mpidaroka matihanina.

Samy manao ny azy eny amin'ny sehatra misy azy dia ampy izay.

Hivaingana ho azy eny ihany ny herin'ny be sy ny maro te-handry fahalemana rehefa mby ny fotoany.


RAHA MISY MANONTANY HOE INONA 'TY ATAO ?

Mampiranty FOTSY.

Maneho filaminana ampahanginana mba hampisinda ny herisetra.

Hatreo aloha ny dingana voalohany.

Katanà SAINA FOTSY

Aucun commentaire: